Toamasina : hopotehina ireo vary simba tratra tao Tanandava

  • 9 janvier 2024

Nanaiky ny hanapotehana ireo vary simba 3 kaontenera tratra tao amin’ny fanatobiana entana ao Tanandava Toamasina ilay teratany Pakistanais tompon’ny vary rehefa natao ny fombafomba araka ny lalàna androany.

Andrasana araka izany ny didy avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina dia irosoana ny fanapotehana an’ireo vary simba ireo ho fiarovana ny mpanjifa. Marihina fa omaly alatsinainy 8 Janoary 2024 no nidina ifotony nijery sy nandrakitra an-tsoratra ny zava-misy tao amin’ireo fanatobian’entana roa ireo ny vadintany.

Partagez :
Mahandry