Tetikasa « Batan » : Vondron’olona ifotony miisa 21 ao amin’ny Faritra DIANA no nisitraka azy

- 17 mai 2023
Mba hampiroboroboana ny asa sy ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny Faritra DIANA dia vondron’olona Ifotony (VOI) 21 no hisitraka ny tetikasa Batan. Ity tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ireo fifanarahana iraisam-pirenena ho fiarovana ireo faritra arovana an-dranomasina toy ny ala honko.
Manodidina ny tokantrano miisa 2500 no hisitraka azy ity ary ala honko 21 000 ha no ho voajary araka ny nambaran’ny minisitry Tontolo iainana.
Ny Batan dia vatsian’ny FFEM (Fond Français pour l’Environnement Mondiale) vola ary iarahan’ny AFD sy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy manatanteraka. Vola mitentina 2.050.000 € no azo amin’ny fanatanterahana ny tetikasa, fanomezana avy amin’ny fanjakana frantsay.
Natao hiarovana ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena an-dranomasina ity tetiksa ity. Ary koa ho fitantanana ny tontolo iainana maharitra ao amin’ny helodranon’Ambaro, Tsimipaiky sy Ampasindravana ary ireo vondrona nosy (archipel) ao Nosy Be