Tetiandrom-panadinana: CEPE 18 jona, BEPC 01-04 jolay 2024

  • 17 août 2023
Ny talata 18 jona 2024 no hanaovana ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE/6ème, ho an’ity taom-pianarana 2023-2024 ity, araka ny tetiandro ofisialy navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny 22 janoary hatramin’ny 22 martsa 2024 no hanatanterahana ny fisoratana anarana. Ny talen-tsekoly tsirairay no tomponandraikitra voalohany amin’izany.
Ny 01 hatramin’ny 04 jolay 2024 kosa no hanaovana ny fanadinam-panjakana BEPC/2nde. Ny 05 febroary hatramin’ny 05 avrily 2024 no ahafahana misoratra anarana. Ny talen’ny Kolejy sy Lisea no tomponandraikitra voalohany amin’izany.
Ho an’ny CAE/EP kosa, ny 03 sy 04 septambra 2024 no hanaovana ny fanadinana. Eo anelanelan’ny 29 avrily hatramin’ny 12 jolay 2024 no hanaovana ny fisoratana anarana. Ny lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) no tomponandraikitra voalohany.
Mamarana ny fanadinam-panjakana eo ambany fitarihan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny CAP/EP, izay hatao ny 15 sy 16 oktobra 2024. Ny 29 avrily hatramin’ny 12 jolay 2024 no ahafahana misoratra anarana amin’ity fanadinana ity. Ny lehiben’ny Fari-piadidiam-pampianarana no tomponandraikitra voalohany.
Partagez :
Romuald