Spread the love
Voafetra no 10 taonina ny vesatry ny fiara mavesatra mandeha eo amin’ny tetezan’I Ranopiso, eo amin’ny PK75+355 ny RNS13 amin’ny faritra mampitohy ny distrikan’I Taolagnaro sy Amboasary Atsimo araka ny fampahafantarana navoakan’ny minisiteran’ny Asa Vaventy. hisy ny famantarana ara-dalàna mifanaraka amin’izany ao anatin’ny tetikasa fanarenana ny RN13 mampitohy an’Ambovombe sy Taolagnaro. Afaka herinandro kosa dia hisy ny familian-dalana vonjimaika mahazaka vesatra hatramin’ny 30 taonina.
Ankoatra izay, nanatanteraka fizahana ifotony notanterahan’ ireo ekipan’ny fitaleovam-paritra na DRTP Androy, Anosy, ny Agence Routière, ny orinasa COLAS sy ny « Mission de contrôle ». hita nandritra izany fa efa ho vita tanteraka ny “base vie” an’ny DRTP Anosy. Nojerena ihany koa ny asa fandaminana ny lalana na ”terrassement” eo amin’ny PK62+500 hatreo amin’ny PK68+000, ny fanamboarana ny lakan-drano na “Ouvrage Hydraulique” (buse et dalot) eo amin’ny PK50+000 hatreo amin’ny PK66+000, eo analenalan’i Treatrea, mivoaka an’Amboasary, sy Ankariera. Nozaha na akaiky nandritra ny fitsidihana koa ireo “sites sensibles” mba hiaraha-mahita sy hijerena vahaolana hampandrosoana aingana ny asa.
Tsikaritra nandritra izany ihany koa fa antitra ny ankamaroan’ireo fotodrafitrasan’ny lalana, indrindra ireo tetezana any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Nanao ezaka mikasika izany ny fitondram-panjakana ho fijerena sy fanamboarana azy ireny, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy. Isan’izany ity tetezana eo Ranopiso ity, eo ihany koa ny ao Bevilany, izay tena efa simba tanteraka. Nojerena ihany koa ny mahakasika an’ Andranovato, faritra fandalovana rano trambo rehefa avy ny orana na “zone d’érosion”.

Laisser un commentaire