Spread the love
Hiakatra fampanaovana anio 2 janoary 2024 ilay vehivavy Tale ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany izay nanao taratasy hosoka maro ahafahana mangalatra tanin’olona tany Isahafa, Anosy Avaratra.
Io vehivavy io, antsoina hoe Rakotoarimanana Hanjarisoa, no fantatra fa atidoha nikotrika ny fakana ny tany 5 hektara izay efa tany nohajarin’ny fokonolona an-jato taonany kanefa nahavitan’izy sy ny rahavaviny taratasy sandoka ka nosoratany tamin’ny reniny ary saika hamidiny tamin’ny teratany sinoa.
Efa tonga nitsirika ny tany teny mihitsy moa ireo sinoa ary teo no nahataitra ny fokonolona ka nampihetsika ilay raharaha halatra tany rehefa tsy nanaiky ny fokonolona. Misy sekoly sy fasana ary tranon’olona efa mitsangana eo amin’io tany saika hangalariny io.
Fantatra fa mandainga sy mamitaka olona ity vehivavy ity ary miezaka mampiditra anaran’olona hafa hiarovan-tena rehefa manao ny fandikan-dalàna izay efa fomba fanaony rahateo. Fa ny fanadihadiana dia nampiseho fa lainga daholo ny fanononany anaran’olona lazainy fa maniraka azy manao ny asa ratsiny, fa tena izy tenany mihitsy no tompona antoka voalohany amin’ny fangalarana ny tany.

Laisser un commentaire