Tanterahina anio 27 sy rahampitso 28 jolay any Behenjy ny tsenaben’ny »Aty Matavy » andiany faharoa.

- 27 juillet 2023
Kendrena indrindra ny hanohanana sy hampiroboroboana ny sehatry ny aty matavy. Miantomboka ao amin’ny faritra Vakinankaratra izany ary ezahana haparitaka amin’ny faritra hafa raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fambolena sy Fiompiana. Ankoatra izay, manampy ny mpiompy gana fakana aty matavy ny hetsika.
Mandritra ny hetsika no hatao ny sonian’ny sata mifehy ny aty matavy. Tombony amin’izany ny fisintonana ireo mpizaha tany izay mampandroso ny lafiny ara-toekarena mivelatra amin’ny sehatra samihafa.
Hisy koa ny varotra fampirantiana sy karazana seho ara-javakanto hanehoana ny kolontsaina mampiavaka ny faritra Vakinankaratra.
mialy