Tanterahana eto Madagasikara y fivorian’ny manam-pahaizana manokana momba ny kakao tsara kalitao

  • 13 juin 2023
 Mitohy androany 14 Jona ny fivorian’ireo manam-pahaizana manokana momba ny kakao tsarao kalitao izay tanterahana eto Madagasikara. Mahatratra 12 ny mpandray anjara. Avy amin’ny rafim-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo firenena maro mpamokatra sy mpajifa kakao izy ireo.
Dinihina mandritra ny fivoriana ny fanavaozana indray ny lisitr’ireo firenena manodidina ny 20 manana ny kalitaoana kakao tsara indrindra.
Fanapahan-kevitr’ireo firenena miisa 52 mikambana anatin’ ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny kakao (ICCO) tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny 29 septambra 2022 izao fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriana izao.
 Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitra Edgard Razafindravahy izay sady Filohan’ny Filan-kevitra nasionalin’ny kakao (CNC).
 » Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fandalovana eo anatrehan’ny manam-pahaizana manokana ho fanatsarana ny seha-pihariana kakao izay manana ny maha-izy azy eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena » hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana sady Filohan’ny Filan-kevitra nasionalin’ny kakao (CNC) nandritra ny lanonam-panokafana.
Partagez :
Carinah Mamilalaina