Anio 20 novambra no anatanterahana ny Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena, amin’ity volana ity. Hetsika maro no tontosaina marena ny Nosy ao anatin’izany.
Analamanga
Tagnamaro niarahana tamin’ireo mponina, mpivarotra,minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ary ireo mpiasa-panjakana maro eto amin’ny Tsenan’i Besarety sy ny manodidina. Zavatra atao : fanadiovana ny tsena sy ny manodidina.
Melaky
Fanamboarana dabilio sy fandokona efitrano fianarana ireo ankizy pré-scolaire ato amin’ny EPP Tanambao SP; ,fiaraha-miasa DRCC Melaky sy ny Kominina ambonivohitr’i Maintirano ary ireo sampandraharaham-paritra eto an-toerana.
Ihorombe
Fanomanana tanin-jankazo na “Rebouchage des pots plastiques”, ao amin’ny distrika Ihosy. Mitarika izany ny DRCC Ihorombe ary miara-miasa akaik kosa ny DREDD.