Tafika Malagasy: Ho jerena ny hoavin’ireo tanora nahavita fanompoam-pirenena

  • 22 août 2023

Zazavao miisa 4000 eo ho eo isan-taona no ampidirina hiantseharatra ao anatin’ny tontolo miaramila.  1 000 eo ihany no tena lasa miaramila raikitra.  Tsy manana anton’asa hivoarana amin’ny fiainana ny ankamaroan’izy ireo aorian’ny fanompoam-pirenena.

Manana tanjona hanatsara ny hoavin’ireo tanora nahavita fanompoam-pirenena, aorian’ny fiatrehana ny raharaha miaramila ny eo anivon’ny Tafika Malagasy. Izany indrindra no nanatontonsan’izy ireo atrikasa izay nanomboka androany ary haharitra roa andro. Heverina ny hahazoana vokatra miabo  hampihenana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara aorian’ny atrikasa.

Hosokafana  amin’ny fiarahamonim-pirenena, sy ireo Minisitera izay voakasika ny fanatanterahana  ity tetik’asa ity, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nandritra ny lahateniny.

Ny Fitaleavana misahana ny Fanompoam-pirenena sy ny Fiandry (DSNGR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no mikarakara ny hetsika.

Partagez :
Sissie Raveloson