Tafika frantsay sy malagasy : matotra ny fiaraha-miasa

- 28 juin 2023
Manamboninahitra miisa 7 avy amin’ny Tafika malagasy no notolorana « Médaille de la Défense française » ny 27 jona 2023. Roa tamin’izy ireo nomena ny »Échelon Or »; ny 5 nahazo ny »Échelon Bronze ».
Ho an’ny Tafika frantsay kosa, ny « Officier de l’Ordre du Mérite de Madagascar »no natolotra ho an’ny Komandin’ny Tafika frantsay aty amin’ny Faritra atsimon’ny Ranomasimbe Indianina (FAZSOI), ny jeneraly Laurent Cluzel. 2 tamin’ny miaramila frantsay no nomena ny mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre du Mérite de Madagascar ».
Mikasika ny fankasitrahana kosa, miaramila frantsay 4 no notolorana ny « Médaille de la Défense nationale » an’ny Tafika malagasy.
Lanonana fanao isan-taona, eo anelanelan’ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy sy fetim-pirenena frantsay izy ity. Fankasitrahana ny vokatra tsara entin’ny fiara-miasan’ny Tafika roa tonta no antony.
Traikefa maro anatsarana ny fahaiza-manaon’ny Tafika malagasy eo am-panatanterahana ny iraka eny an-kianja no nifanakalozana tamin’ireto miaramila frantsay ireto. Teo koa ny fanatsarana ny paikady hiarovana ny vahoaka malagasy sy tekinika maro mifanaraka amin’izany.
Samy nanamafy ny fahavononany hanohy hatrany ny fiaraha-miasa ny roa tonta nandritra izany. Mamaly ny filana amin’ny ady atao amin’ny tsy Fandriampahalemana ny fiaraha-miasa, araka ny faharesen-dahatra nambaran’ny roa tonta.
Mahandry