SEMIPI Fianarantsoa : 100 taona nanabeazana ny fitiava-tanindrazana

- 23 mai 2023
Ny alakamisy 25 mey hoavy izao no hanatanterana ny fankalazana ny faha-100 taona ny Sekoly Miaramilam-pirenena na ny SEMIPI ao Fianarantsoa. Ao anatin’izany sekoly izany moa dia ahitana ny fikamban’ireo Maintimolalin’ny sekoly. Raha araka any fandaharam-potoana narindran’ny ireo ambaratongam-pitantanana sy ny vaomiera tompon’andraikitra dia nanomboka tamin’ny faha 22 ka hatramin’ny 26 mey ny fankalazana.
“ Paradisa faharoa” no anisan’ny anarana nentina niantsona ity sekoly ity amin’ny maha sekoly fanabeazana sy fanomanana tanora ho olom-banona hanompo firenena anatin’ny safidy miaramila.
Misy ny tarigetran’ny sekoly dia ny “Fahaizana- Fahendrena- Fandresena” ary efa maro ireo nobeazina sy nandrato fianarana tao. Ny sekoly moa dia eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Raha araka ny tantara dia niorina tao amin’ny Toby miaramila Betongolo Antananarivo ny SEMIPI ny taona (1923-25); toby izay nolovain’ny Zandarimaria eo Betongolo ankehitriny. Teo koa ny toby tao Tsaramandroso Fianarantsoa izay nodimbiasin’ny zandarimaria nasionaly taty aorina ny taona (1944-64).
Manaboninahitra jeneraly zandary, tompon’andraikitra ambony ara-panjakana sy ara miaramila ary zandary maro eto amin’ny firenena no efa niavoka avy tao amin’ity sekoly ity; anisan’izany ny Jeneraly Kaomadin’ny Zandarimariam-pirenena ankehitriny. Reharehan’ireo manampahefana isan-tsokajiny, sivily, ireo mpitsara sy mpitsabo ankehitriny ary ny maro hafa izay efa niofana tao, ka mitoetra hatrany ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambom-po iraisana sy ny firahalahiana azo tsapain-tanana