SAVA: voapetraka ao Sambava ny milina fanamboarana savony ampiasana akora avy amin’ny voanio

- 26 octobre 2023
Tonga tao Sambava ny alatsinainy 23 oktobra 2023 teo ny milina fanamboarana savony ampiasana ny voanio ho akora fototra. Tafiditra anatin’ireo fitaovana entina hanatanterahana ny tetikasa Taninketsa indostrialy ODOF (One District One Factory) ny fametrahana ity milina ity.
Antony nametrahana izanya ny an-toerana ny fahitana fa miroborobo tanteraka ny voly voanio amin’iny faritra iny. Mahatratra eo amin’ny efatra taonina isanandro ny savony vokarin’ity indostria ity. Akora matavy 900 kg sy “soude “400 kg no ilaina amin’ny famokarana savony iray taonina, araka ny fanazavana.
Nanatitra ny milina tany an-toerana ny tomponandraikitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, nisolo ten any minisitra Razafindravahy Edgard.