Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 07 desambra 2021 ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha 23 (RNT23) mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe An’Ala.
Ny ampahany manomboka eo amin’ny PK 40 hatramin’ny PK 71, izay tena mampikaikaika ny mpampiasa ity lalana ity no amboarina. Haharitra enim-bolana ny fanatanterahana ny asa. Ny Fitondram-panjakana no mamatsy vola izany, amin’ny alalan’ny “Ressources Propres Internes” (RPI).
Nidina tany an-toerana ny minisitry ny Asa Vaventy, Hatrefindrazana Jerry, niaraka tamin’ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, nanome ny toromarika rehetra mahakasika izany. Nambaran’ny minisitra fa fanombohana izao fanarenana ny teboka ratsy izao fa mbola hisy ny ezaka hataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny taona manaraka, hamitana ity lalana ity ho tara (route goudronée) avokoa. Tanjona ny hialana amin’ny fitokana-monina sy fanamorana ny famoaham-bokatra ary hisorohana ny fiakaran’ny saran-dalana sy vidim-piainana.