Régime de l’or: manao ny dingana anatanterahana ny lalàna ny minisitera tomponandraikitra

- 16 mai 2023
Manatanteraka ny dingana rehetra hampiharana ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny minisitra momba ny » regime de l’or » ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena stratejika amin’izao. Tsy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no hametrahana ny « guichet unique » fa atao eny amin’ny « Mining Business Center » Ivato.
Aorian’ny fanomanana ny trano asiana « guichet unique d’exportation » dia hirosoana indray ny fametrahana ny lamina hafa. Tafiditra amin’izany ny fametrahana ny komity ahitana ny ambaratonga tokony hiasa amin’ny » guichet unique » dia ny Tahirim-bolam-panjakana, ny Fadintseranana ary ny FINEX. Efa mandray ny antontan-taratasy fanomezan-dalana » agrément de comptoir » ny eo anivon’ny “Agence national de la filière Or (ANOR) ankehitriny.
Araka ny fanazavan’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy Olivier, teny Ampandrianomby no nisy ny » guichet unique » taloha. Nahitana lesoka tamin’ny lafiny fotoana sy fandriampahalemana anefa izany. Voatery mivezivezy ny mpandrahara rehefa manatanteraka ny fandoavana vola. Noresahina manokana tamin’ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany vao nolanin’ny Antenimiera, araka izany, ny momba ny « régime de l’or ».
Miantoka betsaka ny firoboroboan’ny toe-karena malagasy ny fanaraha-maso ny fivoahan’ny volamena. Ambony ny vidin’ny volamena amin’izao, satria tafakatra 50 tapitrisa dolara ny taonina. Raha voatantana tsara io, hoy ny minisitra, dia hanampy be an’i Madagasikara.
Manana fahafahana manondrana volamena betsaka i Madagasikara. Nahatratra 2 833 kg izany ny taona 2017; 3 051 tamin’ny 2018, ary 2 411 tamin’ny 2019. Hisy ny fanaraha-maso akaiky ny fanondranana volamena: manomboka amin’ny fitrandrahana hatramin’ny fanatanterahana ny fandoavana tamberimbidy.

Njaka Randria