RANO WASH : Mponina 700 000, kaominina 250 nisitraka azy

- 27 mai 2023
Mponina miisa 700 000 avy amina Kaominina ambanivohitra 250 manerana ny faritra fito no nisitraka rano avy amin’ny alalan’ny tetikasa tetikasa USAID Rural Access to New Opportunities in Water Sanitation and Hygiene (RANO WASH). Tetikasa mitentina 30 tapitrisa dolara. Nifarana ity tetikasa ity. Nahomby ny rafitra napetraka raha ny tombana nataon’ny avy ao amin’ny USAID nandritra ny lanonam-pamaranana ny tetikasa.
Anisan’ny nahitam-bokany ny fiaraha-miasa tamin’ny ny sehatra tsy miankina. » Nanampy ireo Kaominina tamin’ny famatsiana rano ho an’ny mponina izany, nampitombo ny hetra nahafahana nampivelatra ny fiainan’ireo vondrom-piarahamonina ifotony ary manamaivana ny vesatra ara-pitantanana amin’ny alàlan’ny fifanarahana natao tamin’ireo orinasa tsy miankina mpamatsy rano ».
Nihatsara ny fitantanana sy famatsiana rano azo antoka sy maharitra ho an’ireo tokantrano manerana an’i Madagasikara. Ahitana fiantraikany eo amin’ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ny fitombon’ny fisitrahana rano fisotro madio. Manampy betsaka izany amin’ny fampihenana ny mety hisian’ny aretina azo sorohina sy ny tsy fanjariantsakafo izany.
Heverina ny mbola hampitomboana ny isan’ny olona hisitraka rano. Hitohy sy hihamafy ny fanohanan’ny USAID an’i Madagasikara amin’ny sehatry ny rano, fanadiovana ary fahadiovana amin’ny taona ho avy amin’ny alalan’ny tetikasa vaovao.