Spread the love

Lasan’i Mika sy Fafah (Peugeot 208) indray ny amboara tamin’ny andiany « Rallye passion d’Antsirabe » izay dingana alohan’ny farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’I  Madagasikara amin’ny familiana fiarakodia.

Miakatra eo ami’ny laharana voalohany vonjimaika indray izany i Mika eo amin’ny filaharana ankapobehany (Sokajy mpanamory).

Teo amin’ny laharana faharoa no nahitana an’i Fred sy Mijoro, izay nanao ny tsy ambinina satria vaky kodiarana tamin’ny dingana alohan’ny farany raha niady mafy ny laharana voalohany. Mathieu sy Andry no laharana fahatelo tamin’ny fifaninanana.

Laisser un commentaire