Rakotondrazafy Lalatiana : hiala amin’ny maha minisitra azy ny alatsinainy izao, ary hifantoka amin’ny fampielezan-kevitra.

  • 6 octobre 2023
Hametra-pialana amin’ny toerana maha minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy Rakotondrazafy Lalatiana ny alatsianiny 9 oktobra izao, araka ny nambarany nandritra ny fandaharana Tsy ho tompon-trano mihono tao amin’ny Haino aman-jerim-panjakana androany. Fanajana ny lalàna, hoy izy, no antony anaovany izany. Izy izay mpitarika antoko politika sady efa nanao fanambarana fa handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra. Hanomboka ny talata 10 oktobra izao ny fampielezan-kevitra.
Tsy misy fisalasalana, hoy izy, fa hisy ny fifidianana. Ny faran’ny herinandro ity no ho tonga ny bileta tokana hampiasaina mandritra ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra izao. Notsindriany fa mandeha ny fikarakarana rehetra ahafahana mahazo fifidianana azo itokisana.
Marihina fa ity androany ity no fandaharana farany ataony amin’ny maha mpitondra tenin’ny Governemanta azy, araka ny nambarany.
Partagez :
Hasina Rakotoarilina