Raharaha fokonolona nirohotra tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka: ho fantatra aorian’ny fifampiresahana anio ny tohiny.

- 2 août 2023
Hisy fifampiresahana anio alarobia 02 aogositra 2023 hitadiavana vaha olana momba ny raharaha fokonolona nirohotra tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka halina. Ny solon-tenan’ny vahoakan’i Mangalaza sy ny Fitsarana ary tomponandraikitra voakasika no hanatanteraka izany, hoy ny lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Ambatondrazaka, Tsirimanana Stéphan. Miankina amin’ny fetezan’ny fotoana anefa, hoy izy, no ahafahana mandray ireto mponin’i Mangalaza ireto, noho izy mbola ao anatina fitarihana raharaham-pitsarana (CCO).
Aorian’ny fifampidinihana vao ho fantatra ny mety ho tohin’ny raharaha. Eny amin’ny 5 km miala ny tanàna ireo mponina ireo amin’izao miandry io fifampiresahana io, araka ny loharanom-baovao. Fangatahana ny hamoahana ny olona 6 nampidirina am-ponja vonjimaika noho ny trangana fitsaram-bahoaka no antony nampirohotra ny mponin’i Mangalaza teny amin’ny Fonja.
Tsiahivina fa fitsaram-bahoaka tamin’ny volana ôktobra 2022 no niaingan’ity raharaha ity. Nisy ny andrimasompokonolona natao tamin’izany. Nahatratra olona 2 nahihina ny fokonolona. Ny iray nandositra ary tratra sy maty novonoina. Ny iray kosa nijanona, ary tafiditra am-ponja noho ny raharaha halatra omby.
Nametraka fitoriana ny havan’ny maty. Nisy ny fanadihadiana nataon’ny zandary ary natolotra ny Fitsarana ka nahatongavana amin’izao fisamborana olona 6 voatonona ho tompona antoka tamin’ny famonoana izao.
Romuald