Rafalison Joachin: notolorana ny mariboninahitra  » Chevalier de l’Ordre National »

  • 21 janvier 2024
Notoloran’ny fanjakana mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre National » i Rafalison Joachin, mpihira, mpandihy, mpitsoka mozika ao amin’ny tarika Ramilison Besigara androany 20 janoary. Nontontosaina taorian’ny lamesa fisaorana an’ Andriamanitra ho fialantsasatry ny fanahiny sy mialohan’ny hanitrihana azy eny amin’ny fasandrazany izany.
Nifanindry an-dalana tamin’izany ny nitondran’ny fianakaviam-ben’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny teny fampiononana ho an’ny fianakavian-dRatompokolahy izay notarihan’ny minisitra mpiahy, Andriamananoro Augustin.
Nahavita be amin’ny Sehatry ny Kanto i Rafalison Joachin. 45 taona niseharana tamin’ ny hira gasy ny tenany. Teraka ny 28 janoary 1969 izy ary nindaosin’ny fahafatesana ny 17 janoary 2024. Napetraka ho tahirim-bakoka eo anivon’ny UNESCO ny Hiragasy. Fanoitra, fivoy, ahafahan’i Madagasikara misongadina sy maneho ny mahakanto azy ny Hiragasy . Tsy natao ho henoina fotsiny izy fa natao koa hampitana hafatra.
Partagez :
Mahandry