« PV feno sy voasonia mialoha » : tsy azo heverina ny hampitombina izany, hoy ny CENI

- 31 octobre 2023
« Raha ny fomba fiasa ampiharin’ny CENI amin’izao no jerena dia tsy azo heverina mihitsy ny hampitombina ny fisian’ny fitanana an-tsoratra ny voka-pifidianana (PV) feno sy voasonia mialoha, izay inian’ny mpanao politika aely ankehitriny », hoy ny fanazavan’ny talen’ny Kabinetran’ny CENI Andriamifidy Jean Louis androany 31 oktobra 2023. Nisy mpanao politika iray nilaza, ny faran’ny herinandro teo, fa efa misy PV feno mialoha any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy.
Nambaran’ny CENI fa mbola ao anatin’ny fonosana taorian’ny nanontana azy tatsy Afrika Atsimo ny bileta tokana sy ny taratasy fitanana an-tsoratra, ary mbola tsy nosokafana. Hanomboka ny fitaterana azy isaky ny distrika hatrany amin’ny biraom-pifidianana ny tomponandraikitra izao. Ao anaty baoritra iray ny bileta tokana sy ny PV, ary tsy azo sokafana raha tsy eo anatrehan’ny delegen’ny kandida na ny olona manatrika ao anatin’ny biraom-pifidianana.
Ankoatra izay, misy « code-barres » mifanaraka amin’ny biram-pifidianana andefasana azy ny PV ka sarotra ny hanaovana hosoka. Azo hamarinina raha mitondra ireo marika ireo ny PV lazaina fa efa feno ankehitriny, hoy ny fanazavana. Miantso ny hitondrana ny porofo momba ity vaovao aely ity ny CENI, ahafahana manao ny fanamarinana.
Ankoatra izay, mametraka fanamby ny CENI fa haka sary ny PV misy ny voka-pifidianana voasonia teo anatrehan’ny delegen’ny kandida any amin’ny biraom-pifidianana. Ezahina hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana izany, ary ny 43% no hotratrarina ny datin’ny 16 novabra ihany. Ezahina ho tafakatra 80% izany ny ampitson’ny fifidianana. Tsy maintsy miandry ny fikirakirana ny antontan-taratasy rehetra kosa vao mamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika feno ny CENI, hoy hatrany ny talen’ny Kabinetran’ny CENI Andriamifidy Jean Louis.
Nanamafy izany fanazavana izany sy namaly ity resaka nataon’ny mpanao politika Monja Roindefo Zafitsimivalo ity ny filoh alefitra fahatelon’ny CENI sady mpiahy ny faritra Atsimo, Razafimamonjy Laza Rabary.


Romuald