Polio : nidina 78% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ny taona 2022

- 17 mai 2023
Nidina 78% ny tahan’ny zaza vita vaksiny fanefitry ny lefakozatra eto Madagasikara tamin’ny taona 2022, raha toa ka 82% izany tamin’ny taona 2021. Anton’izany ny tsy fahampian’ny fanentanana ataon’ny olona to-teny, miainga eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fanaraha-maso ny trangana aretina. Hampiakarina 95% izany farafahakeliny amin’ity taona ity, raha ny vinan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Amin’ny alalan’ny hetsika fanamafisana ny andron’ny vaksiny, na FAV Polio miisa enina (6) no hanatrarana izany, mandritra ity taona 2023 ity.
Nanomboka ny 16, ary hifarana amin’ny 19 may izao ny andiany voalohany amin’izany, manerana ny Nosy. Atao maimaimpoana, ho an’ny zaza rehetra latsaky ny dimy (5) taona ny vaksiny. Eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra, sekoly, akany na toby fitaizana zaza no anaovana izany, isaky ny fokontany tsirairay avy manerana an’i Madagasikara.
Tsiahivina fa areti-mifindra vokatry ny tsimokaretina »poliovirus » mahatonga fahalemena tampoka ny lefakozatra. Mety hiafara amin’ny fahafatesana, ary tsy misy fanafana saingy azo sorohana amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny irery ihany.
Nomarihin’ireo tomponandraikitry ny fahasalamana fa azo atao vaksiny polio hatrany ny zaza mandritra ny hetsika faobe, na dia efa nahazo izany aza tamin’ny vaksiny andavanandro. Antoka lehibe ahafahana miaro ny zaza, sy hanamafisana ny hery fiarovana azy mandritra ny androm-piainany ny fanaovana vaksiny polio.