Spread the love
Manana anjara toerana eo amin’ny kolontsaina ny fanorona, noho izy hitarafana ny fiainan’olombelona iray, manomboka amin’ny fahazazany hatramin’ny fahalehibiazany. Fianarana fiainana koa ny fanorona, azo itarafana kolontsaina, tantara, fiaraha-monina, fahaiza-miaina sy foto-pisainana no sady fialamboly.
Araka ny fototeny hoe ”toro”, dia mivohy fahendrena sy manoro ireo paikady fahizay fony nangoronan’i Andrianjaka fanjakana tamin’izany ny fanorona. Kilalaon-drazana malagasy mampiasa saina, atao eo amin’ny fafana voavakivakin’ny tsipika ametrahan’ny mpilalao andaniny sy ankilany avy. Misy karazany telo ny fanorona: fanoron-telo, fanoron-dimy, fanoron-tsivy.
Nanomboka androany, ka hatramin’ny 17 oktobra izao ny lalao famaranana hiadiana ny ho tompon-dakan’i Madagasikara, amin’ny fanoron-tsivy. 72 ny mpandray anjara tafiakatra amin’ny famaranana tamin’ireo 300 nisoratra anarana manerana ny nosy, ary mizara sokajy telo. Analamanga, Boeny, Bongolava, Itasy, Matsiatra Ambony, ary Vakinankaratra no faritra mandray anjara amin’izany. Etsy amin’ny Pergola Antaninarenina no hanatanterahana ny lalao fanintsanana hatramin’ny rahampitso. Eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina kosa no hanatanterahana ny famaranana, ary handeha mivantana amin’ny Televiziona Malagasy.

Laisser un commentaire