Noho ny fahitana fa efa mitady ho lany taranaka ny omby ao amin’ny faritra Bongolava, dia niroso tamin’ny fanaovana “Insémination artificielle” na ny fampanarahana entin-tanana hanatsarana ny taranak’omby ny teo anivon’ny minisitera misahana ny fiompiana.
Nahazo 240 daozy ny patirazy iray tao amin’ny tanàna Zatobe kaominina Maritampona tamin’izany.
Tanjona ny fitsinjovana ny tantsaha hahavita tena ara-tsakafo, fitsinjovana ny tsenan’omby ao Tsiroanomandidy ary ny fitomboan’ny taranak’omby.
Fanombohana ofisialy no natao tao amin’ny faritra Bongolava fa hiparitaka manerana ny faritra ity teknika vaovao ity.