ODOF – Ambilobe : nahazo milina fanamainana mahabibo

  • 26 octobre 2023

Tonga nanolotra milina fanamainana mahabibo ho an’ny distrika Ambilobe ny avy eo  anivon’ny minisiteran’ny Fampiroborobohana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana omaly 25 oktobra. Ho hamainiana mba ho tonga vokatra tsara kalitao ny mahabibo ary afaka mifaninana eo amin’ny tsenam-barotra.

Tafiakatra 20 000 taonina ny vokatra mahabibo any Ambilobe sy ny manodidina isa-taona, izany indrindra no nahatonga ny Minisitera hametraka ny tetikasa ODOF (One district one factory) ao amin’ny disitrika Ambilobe  ho fampivoharana ny fiarihan’ny mponina any an-toerana ary afaka manamaina voankazo samihafa koa izany milina izany araka ny toromarika nampitaina tamin’ireo olona hampiasa azy.

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ny antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) hifantenana izay ho mpandraharaha hitantana sy handrindra  ny orinasa. Ho apetraka koa  ny fiaraha-miasa amin’ny koperativan’ny tantsaha mpamboly voankazo amin’ny famatsihana ny vokatra ho amainina .

Partagez :
Mahandry