Ny fahadiovana no antoka voalohany miaro amin’ny valan’aretina

- 19 mai 2023
Eto Madagasikara, 21% ny mponina no misitraka fotodrafitrasa mahakasika ny fidiovana. 35% no misitraka mahakasika ny rano ary 38% mahakasika ny fahadiovana. Antony iray mampirongatra ny valan’aretina ny fangerena ankalamanjana ka miteraka aretina toy ny lefakozatra, ny kôlerà, ny tifoidra sns…
Ao anaty tay 1g dia ahitana tsimokaretina manodidina ny 10 000 000 isa, otrikaretina miisa 1 000 000 ary kantsetsitra maherin’ny 1 000. Azo antoka araka izany ny fifindran’ny aretina iray amin’ny alalan’ny tay, raha toa ka tsy manaraka ireo fepetra (5) dimin’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana (RFF).
Voalohany amin’izany ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony. Manaraka izany ny fampiasana kabone ara-pahasalamana. Eo koa ny fanadiovana sy fitehirizana ary fampiasana rano fisotro madio. Ny fikajiana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny toerana hikarakarana/misy azy, ary ny fitantanana ny fidiovana sy fahasalamana mandritra ny fadimbolana.
Tsiahivina fa mifindra amin’ny alalan’ny tay miparitaka ny lefakozatra. Tsy misy fanafana, ary mety hitarika hatramin’ny fahafatesana. Ny fanaivana vaksiny sy ny fanajana ireo fepetra misaksika ny RFF ihany no azo hisorohana azy hatreto. Manampy betsaka amin’izany koa ny ady amin’ny fangerena ankalamanjana, indrindra any amin’ireo toerana ahitana trangana lefakozatra.
Antony iray anentanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny mponina amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny tay, mandritra ity hetsika FAV Polio andiany voalohany, nanomboka ny 16 may kay mifarana androany ity.