Ninie Donia: nodimandry ny mpanjakavavin’ ny Salegy

- 19 novembre 2023
Nodimandry androany 19 novambra 2023 i Bezara Eliane Virginie na Ninia Donia izay mpanakanto sady mpamoron-kira, anisan’ny namiratra teo amin’ny gadona salegy. An-dalana hotsaboina any Antsiranana izy no nindaosin’ny fahafatesana, rehefa tsy salama tany Nosy be.
Tamin’ny roa ora tolakandro no nahatongavan’ny « Ambulance » tao amin’ny sampana Vonjy aina Antsiranana saingy efa tsy nisy aina intsony ity mpanakanto ity. Mbola ao amin’ny tranompaty amin’ny hôpitaly ao Diego ny vata-mangatsiakany izao, miandry ny fandaminana avy amin’ny fianakaviany.
Romuald