MSK : « hijoro ho mpiasam-bahoaka »

  • 22 janvier 2024

Nanentana ny mpiara-miasa hijoro ho mpiasam-bahoaka satria ny fanjakana no mijoro dia noho ny  vahoaka hoy ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Andriamananoro Augustin androany 22 janorary tamin’ny fandraisam-pitenenany nandritra  ny fanangana-tsaina voalohany notanterahana teo amin’ny Tranom-bokim-pirenena Anosy.

Olon’ny fiarahamonina ary misokatra amin’ny fifanan-kalozan-kevitra rehetra ny minisitra raha ny nambarany. Izany  indrindra no nanasany  ireo rehetra manana tolotanana entina hampandrosoana ny asa ary koa ny hizaran’ireo efa ela nietezana ny traikefa ananany.

Anisan’ny andraikitra lehibe hiantsorohan’ny minisitra amin’ny maha voalohany amin’ny fitantanana ny minisitera ny  fanabeazamboa ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny andrimpanjakana. Eo koa ny fanatsarana ny vokatra izay efa nentin’ny mpitondra teo aloha.

Partagez :
Sissie Raveloson