Mpitandro filaminana sy ny fifidianana: miantso fiombonana ny Praiminisitra

- 1 juillet 2023
« Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity ny fifidianana filohan’ny Repoblika », hoy ny Praiminisitra, Ntsay Christian nandritra ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy androany 30 jona.
Tsy mitombina, araka izany, ny filazana fa tsy te hamoaka ny tetiandro ny Governemanta hoy ny lehiben’ny governemanta. Voafaritry ny lalàna ny fotoana hamoahana ny didim-panjakana miantso ny mpifidy. Tsy maintsy havoakan’ny Filan-kevitry ny governemanta amin’ny fotoana mahamety azy araka izany izy io.
Raha mikendry ny hahazo Filoha amin’ny volana janoary izay fe-potoana farany itondran’ny fanjakana amin’izao dia tokony ho voatazona ny volana novambra hanatanterahana ny fifidianana fihodinana voalohany sy ny volana desambra ho an’ny fihodinana faharoa.

Manoloana ny olana ara-pitaovana manakana ny fanatanterahana feno ny asan’ny mpitandro ny filaminana dia hisy ny fepetra horaisina hanampiana azy ireo raha ny tapaka nandritra ny roa andro nanatanterahana ny fivoriana.
Sissie Raveloson