Mpiasam-panjakana: 17 736 ny « EFA » horaisina mpiasam-panjakana raikitra

- 20 septembre 2023
Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 20 septambra 2023 ny handraisana ho mpiasam-panjakana raikitra ireo mpiasa ao anatin’ny sokajy « EFA » miasa eny anivon’ny minisitera sy Andrimpanjakana samihafa. Hisy andiany maromaro ny fampidirana azy ireo.
Mahatratra 17 736 ny mpiasa mahafeno ny fepetra ka hampidirina ho mpiasam-panjakana raikitra amin’ny andiany voalohany. Tafiditra anatin’izany fepetra izany ireo « EFA » izay niasa nandritra ny 10 taona noho miakatra; sy ireo izay nahafeno fepetra nefa tena akaiky ny taona fisotroan-dronono tamin’ny fotoana niatoan’ny fampidirana ho mpiasa raikitra; ary ireo izay feno 55 taona noho miakatra ka nahafeno fepetra.
Ho an’ny mpiasa hafa izay efa nametraka antontan-taratasy fangatahana kosa, dia miandry ny andiany manaraka , araka ny fandaminana nambara etsy ambony.