Spread the love

Mpiandry ala honko iray no ahiana ny ainy amin’izao fotoana noho ny ratra nahazo azy nandritry ny fanefana ny asany tao Mahalogny, kaominina ambanivohitra Ankatafa, distrika Ambanja, faritra Diana. Araka ny fanambarana nataon’ny tetikasa MIHARI, ny 30 novambra lasa teo i Koto Nindrina Nomenjanahary Edmond antsoina hoe Edmond, ilay niaran’ny herisetra sy vatan-dehilahy 8 hafa no nandeha nanangona zanaka honko hanampiana sy hambolena izay tsy ampy. Nandritra izany dia nahatsikaritra mpanao arina fandrehitra izy ireo ka nanao fanadiadiana. Tamin’izay no namonoan’ireo mpanao arina miisa 5 azy 9 lahy tamina antsy ka i Edmond no tena voa mafy ary iray hafa kosa naratra tamin’ny tongony raha tafatsoaka ny 7 lahy ambiny.

Aucune description disponible.

Noho izany dia miantso ny fitondram-panjaka hanampy azy amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny zo sy ny ain’ny mpisehatra ary ireo mahery fo amin’ny fiarovana ny harena andranomasina ny eo anivon’ny tambazotra Mitantana HArena an-Dranomasina avy eny Ifotony (MIHARI),ny tambazotra nasionaly ny vondron’olona mpitantana eny ifotony ny harena andranomasina sy morontsiraka na LMMA, Lamina enti-mitantana ny Morontsiraka sy ny Andranomasina manoloana ny fiverimberenana herisetra mianjady amin’izy ireo.

Tsy vao izao no nitrangan-javatra tahaka izao tany an-toerana, tamin’ny taona 2016, tao Antsahampano, kaominina ambanivohitra Ambanja, distrika Antsiranana II, faritra Diana dia efa nisy mpiandry ala honko namoy ny ainy noho ny vono nahazo azy. Efa eo ampelatanan’ny manampahefana ny raharaha ka olona roa tamin’ireo 5 no voasambotra, ny iray vehivavy ary ny iray kosa lehilahy.

 

Laisser un commentaire