Araka ny tetiandro efa voatondro mikasika ny fifaninanan’ ireo mpampianatra voafantina izay hanatanteraka ny politikan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny alalan’ny vina “fampianarana tsara kalitao” dia miampy “ test psycho” sy “ entretien oral”, aorian’ny fifaninanana izay tanterahana androany 27 septambra sy rahampitso 28 septambra, ireo taranja anaovana fifaninanana. Nosokajian’ny minisitera ho fandraisana mpampianatra manokana (recrutement spécial) izao fifaninana izao noho ny lenta izay nohezahana hampiakarina.
Efa nomarihan’ny talean’ny INFP talohan’izao fa 1 075 amin’ireo 4106 voafantina ihany no horaisina amin’ireto mpampianatra mpifaninana ireto. Ireo 1 075 tafita dia horaisina mpiasam-panjakana avokoa ary hiatrika fiofanana eo anivon’ny INFP mandritry ny 2 taona. Fepetra takiana tamin’ireo mpampianatra voafantina tamin’ity dingana ity ny fananana diplaoma bacc+3 sy bacc+4. Taranja 10 no hanadinana mandritra ny fifaninana, ka misy taranja 3 vaovao nampidirina ankoatra ny teo aloha, dia ny Art plastique, Sciences Economiques et Sociales ary Informatique. (Fitaleavana INFP).