Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 9 janoary teo ny roa tamin’ireo telo lahy voasambotra noho ny raharaha trafikana rongony tany Morondava, izay tratran’ny Zandary ny 28 desambra 2023.
Nodorana tao amin’ny fokontany Ampasy ny rongony milanja 255 kilao mahery. Nanatrika izany ny lefitry ny prefen’i Morondava sy ny komandin’ny Kompanian’ny Zandarimaria, Capitaine Ramaroson Andriamanalina, ny 11 janoary teo. Nanentana ny rehetra mba hizara vaovao ny zandary nandritra izany, noho ity fiparirahan’ny rongony ity mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana.