Spread the love
Manoloana ny fikasihan-tanana nahazo ny mpanao gazety tany Antsohihy dia namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, tamin’ny alalan’ny Tale jeneraly, Rakotondrasoava Fetra.
Voarakitra ao anatin’ilay fanambarana fa: “tsy misy mihitsy manamarina ny fanaovana herisetra na amin’iza na amin’iza.
Toy ny olom-pirenena rehetra dia manan-jo hitondra ny raharaha eo anatrehan’ny fitsarana ny mpanao gazety iharan’ny herisetra”. Tsiahivina fa ao anatin’ny vinan’ny kandida nilatsaka hofidiana ho filohan’ny holafitry ny mpanao gazety ny hametraka tantsoroka amin’ny lafiny lalàna raha misy olana ny mpanao gazety.
Izy ireo no hanolotra ny “Mpisolovava” raha misy mpanao gazety mandalo raharaham-pitsarana mandritra ny fanatanterahany ny asany. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra araka izany ny minisitera, hamela ny mpanao gazety hanatanteraka ny asany an-kalalahana.

Laisser un commentaire