Minisiteran’ny Jono: trano fiasana roa misy efitra maherin’ny 20 avy atsangana hanatsarana ny fiatrehana ny asa.

- 16 mai 2023
Tsy maharaka ny hamaron’ny asa sy ny fitombon’ny mpiasa teo anivon’ny minisiteran’ny Jono ny efitrano fiasana nisy tao anatin’ny fitondrana maromaro nifanesy, hoy ny minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Miteraka fahasahiranana amin’ny famitana ny iraka sahanina izany olan’ny fotodrafitrasa izany.
Ho voavaha izany olana izany ankehitriny. Hahazo trano fiasana misy rihana roa, ahitana efitra 27 ny “Autorité Sanitaire Halieutique (ASH)». Trano misy rihana roa, ahitana efitra 20 koa, ankoatra izay, ho an’ny » Direction des Études de la Statistique et de la planification (DESP) na OEPA teo aloha. Eny akaikin’ny birao fiasan’ny minisitera foibe eny Ampandrianomby no ametrahana azy ireto.
Napetraka androany 16 may 2023 ny vato fototra. Haharitra 120 andro ny asa. Amin’ny alalan’ny tetikasa SWIOFish2, vatsin’ny banky iraisam-pirenena vola no ahafahana manangana ireto fotodrafitrasa ireto.
mialy