Mbola misedra olana maro ireo vehivavy Malagasy rehefa tonga ny fotoanan’ny fadim-bolana

  • 1 juin 2023
Manodidina ny 500 tapitirisa ireo zatovovavy sy vehivavy no misedra olana rehefa ao anatin’ny fotoanan’ ny fadimbolana. Ho an’ny eto Madagasikara manokana dia anisan’ny antony iray lehibe mahatonga ny zazavavy hiala an-daharana any an-tsekoly ny fahatongavana fadimbolana indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra sy ireo fianakaviana sahirana. Anton’izany ny tsy fisitrahana rano ampy hidiovana , ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana any an-trano na any an-tsekoly mandritra io fotoana io , ny tsy fananana fahefana mividy salaka sy silipo ary indrindra ny tsy fahafantaran’izy ireo izany hoe tonga fotoana izany .
Maro ireo vahaolana naroson’ny minisitera manoloana izany toy ny fanentanana ny ray aman-dreny hampafantatra ny ankizy izany fadimbolana izany, ny fanentanana ny lehilahy ny zatovolahy mba tsy hanilikilika ireo vehivavy na ny reny na ny vady mandritra io fotoana io fa hanohana azy ireny ara-moraly , ny fametrahana foto-drafitrasa fanadiovana sy fidiovana any an-tsekoly sy ny fanentanana ny olona mba hanana izany, ny fanentanana ny vehivavy anamboatra salaka azo sasaina ary ny fampianarana any an-tsekoly ny tokony aton’ny vehivavy mandritra ny fadimbolana mba ahafahan’ny vehivavy rehetra miatrika ampitoniana ny fadimbolany.
Efa nanomboka tamin’ny taona 2014 ny fankalazana manerantany ny andro maneran-tany ho an’ ny fidiovana mandritra ny fadim-bolana. Nanomboka ny taona 2016 kosa i Madagasikara no nanomboka nankalaza izany.
Nontontosaina tamin’ny fomba ofisialy androany teto amin’ny faritra Analamanga ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny fidiovana mandritra ny fadimbolana, notronon’ny Ministry ny Rano sy fidiovana ary Fanadiovana, Fidiniavo Ravokatra, sy ny Ministry ny asa Tanana sy Hai-tao , Sophie Ratsiraka. Lohahevitra tamin’izany ny hoe “ andao miaraka mandray andraikitra”.
Partagez :
Mahandry