Masindray : fanomezana masomboly sy zezika ho an’ireo mpamboly

  • 29 novembre 2023

Tantsaha ny 80 isan-jaton’ny mponina eto amin’ny Kaominina ambanivohitra Masindray. Mitohy ny asa fampandrosoana raha ny nambaran’ny ben’ny tanàna. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana masomboly sy zezika ho an’ireo mpamboly.

 

Tanjona ny hampitomboana ny vokatra amin’ity taom-pahavaratra ity. Ny tsy fahampian’ny rano no tena olana goavana atrehan’izy ireo raha ny voalazan’ity mpamboly sendra anay ity. Efa fotoanan’ny fanetsana izao saingy naato tanteraka izany aloha, mandrapiavin’ny orana.

Ny Kaominina hatramin’izay no nanao ny fanampiana ho an’ireo tantsaha, amin’ity indray mitoraka ity kosa dia ny fitondram-panjakana foibe no hanatanteraka izany.

Partagez :
Natacha Hasimbola