Maroalopoty, Distrikan’Ambovombe, Faritra Androy: « Kits de sécurité de mer » miisa 60 no nozaraina

- 1 juin 2023
Nanolotra fampitaovana ireo mpanjono tao Maroalopotsy distrikan’Ambovombe , faritra Androy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga androany 01 jona 2023 ; fikambanan’ny mpanjono miisa 06 no nisitraka izany.
« Kits de sécurité en mer » miisa 60 ahitana Salotra vonjy aina, Radio, jiro, fitaratra no natolotra tamin’izany. Tamin’ny hafaliana tanteraka moa no nandraisan’izy ireo an’ireo fampitaovana ireo .
Marihana moa fa ireo fampitaovana ireo dia niarahana tamin’ny tetikasa SWIOFish2 izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Tonga tany an-toerana moa ny Minisitra Mahatante Paubert notronin’ireo mpiara-miasa nanolotra izany.
Mahandry