Mahajanga : hahazo lysea teknika ny ao Besely.

  • 28 juillet 2023

Tapaka fa ao amin’ny École du Monde Besely no hasiana ny lysea teknina miompana amin’ny seha-pihariana momban’ny fambolena.

Niara nidinika tamin’ireo  manam-pahefana sy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ary ireo pandraharaha ao an-toerana ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa alohan’ny hanao ity tetik’asa ity.

Hatsangana ity lysea ity ho fitsinjovana ireo tanora ao Boeny. Mba ahafahan’izy ireo miampita makany amin’ny  fiofanana hisitrahana asa  avy hatrany. Ny vokatra toy ny legioma sy ireo vokatra natoraly tsy misy fangarony (Bio) no tena imasoana ka eritreretina ho afaka hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena toy ny ao Mayotte sy La Réunion.

Partagez :
Mahandry