Lisitry ny mpifidy: “tsy misy fampidirana anarana vaovao”, hoy ny CENI

  • 1 novembre 2023
Ny lisitra ahitana mpifidy 11 043 836 nofaranana tanteraka ny 20 jolay 2023 teo ihany no hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena hatao eto Madagasikara, hoy ny CENI.
 Tsy mitombina, araka izany , ny filazan’ny mpanao politika fa hampiditra olona 150 anatin’ny lisitra any amin’ny biraom-pifidianana ny CENI. Vaovao tsy marina iniana aely mba hanakorontanana saina izany, hoy ny talen’ny kabinetran’ny CENI , Andriamifidy Jean Louis.
Efa navoaka ao anaty tranonkalan’ny CENI, azon’ny rehetra jerena, hoy izy ,ny lisitra. Efa natolotra ho an’ny kandida koa izany antsipirian’ny antontan-kevitra momba ny Rejisi-pifidianana sy ny lisitry ny mpifidy izany.
 Ny 4 oktobra teo no natolotry ny CENI ho an’ny kandida ny antontan-kevitra momba ny mpifidy sy ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Nomena « disque dur » mirakitra izany izay kandida nahatonga solon-tena ary azo jerena ao amin’ny antsipiriany ny lisitry ny mpifidy sy ny mombamomba ny biraom-pifidianana, izay voasokajy isaky ny faritany mba ho mora vakina, ary azo jerena isaky farittra, distrika, kaominina, fokontany hatrany amin’ny toeram-pifidianana tsirairay . Teo anatrehan’ny mpiara-miombona antoka, toy ny PNUD, sy ny birao maharitry ny CENI ary ny mpisehatra amin’ny haino vaky jery no nandikana izany antontan-kevitra izany avy tao anatin’ny solosaina an’ny CENI nankao amin’ny « disque dur » ho an’ny kandida. Nomena ny kandida niaraka tamin’izany koa ny antontanisa rehetra tsara ho fantatra , toy ny lisitra sy toeran’ny biraom-pifidianana, ny isan’ny mpifidy isaky ny biraom-pifidianana, fokontany, kaominina hatramin’ny faritany…
Natao izany ho mariky ny fanajana ny mangarahara sy ny firoson’ny zotram-pifidiana, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo Arsène.
Partagez :
Romuald