Lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiam-panitsiana nandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina tao amin’ny Antenimierandoholona androany 8 desambra 2023 ny Volavolan-dalàna laharana faha 023/2023 mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2024.
Anisan’ny teboka nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny fanatsarana ny “balance de paiement” izay nilazan’ny ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo fa anisan’ny ezaka hataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny taona 2024 ny fampitomboana ny fanondranana entana sy ny fampihenana ny fanafarana entana.
Soso-kevitra naroson’ny Loholona ny fanatsarana ny fepetra amin’ny fanondranana lavanilina izay anisan’ny sehatra iray mampitombo ny harin-karena eto Madagasikara. Tsiahivina fa mifototra amina andry telo ity tetibolam-panjakana 2024 ity. Eo ny lafiny maha olona, izay mifototra amin’ny fanohanana manokana ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamana, ny fanabezana, ny fampananana asa ary ny fampiofanana ho an’ny rehetra. Eo koa ny andry ho an’ny indostria, izay ijerena manokana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fambolena, ny fizahan-tany, ny fampandrosoana ny any ambanivohitra ary ny fotodrafitrasa maro. Andry fahatelo ny lafiny fitantanana, izay anamafisana ny ny fanavaozana sy ny ady amin’ny kolikoly.