Lany nasiam-panitsiana sy fanavaozana teo anivon’ny vaomieran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ao amin’ny Antenimierampirenena ny lalàna laharana faha 018/2021 tamin’ny 27 oktobra 2021 momba ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-pankana ho an’ny taona 2022 (PLFI), ary entina eo anivon’ny fivoriambe andraisana fanapahan-kevitra farany amin’ity tontolo andron’ny 23 novambra ity.
Ny andininy faha 3 sy faha 6 no nitondran’ny vaomiera fanitsiana sy fanovana tao anatin’izany. Anisan’ny nisongadina tamin’ireo ny fepetra mikasika ny hetra ny amin’ny tokony hitazonana ho 10 % ny haba alaina amin’ny “bondillons”, akora afarana anamboarana savony, raha nampiakarina ho 20% izany tamin’ny PLFI. Isan’ny vokatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro, hoy ny vaomiera, ny savony sady ilaina amin’ny fanatrarana ny politikan’ny fidiovana sy fanadiovana ka tokony hojerena manokana mba ho takatry ny vahoaka sahirana.Nanamafy kosa ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola fa ny lalàna iraisam-pirenena sy ny fameloma-maso ny orinasa eto an-toerana no anton’ny fampiakarana azy io.
Teo koa ny fanovana ny tetibola 200 miliara Ariary ho fanafarana entana ilaina andavanandro (PPN), izay nalana tao amin’ny fandaniana ka nakisaka amin’ny antoka ara-bola.
Nomarihin’ny vaomiera misahana ny fanjohiana ny politikam-panjakana fa nahafahan’ny vaomiera nandinika amin’ny antsipiriany ity lalàna ity ny fahatongavany ara-potoana teny anivon’ny Antenimiera. Ary manampy amin’ny fanaovana tatitra amin’ny vahoaka ny fanazavana amin’ny antsipiriany nomen’ny minisitera tomponanandraikitra.
Nivory nanomboka ny alakamisy 18 novambra hatramin’ny latsinainy 22 novambra 2021 ny vaomieran’ny Fitantanambola sy ny tetibola, ny vaomieran’ny Toekarena sy ny Fanaovana teti-pivoarana ary ny vaomieran’ny Fanombanana ny politikam-pankana nandinika io volavolan-dalàna mifehy ny tetibola io vao tonga amin’izao fivoriambe azon’ny besinimaro atrehina, andraisana fanapahan-kevitra izao.