Lalaon’ny nosy – Kickboxing : 26 ny atleta malagasy mandray anjara

- 29 juillet 2023
Miisa 26 izy ny delegasiona Malagasy handray anjara amin’ny taranja » Kick boxing » mandritra ny lalaon’ny Nosy izay tanterahana ny 25 aogositra hatramin’ny 30 septambra eto Madagasikara.
17 amin’izy ireo no ny lehilahy ary 9 kosa vehivavy.
Ho an’ny vehivavy mizarazara amin’ny sokajin-danja 5 izy ireo. Manomboka amin’ny latsaky ny 48kg, ny latsaky ny 52kg, ny latsaky ny 56kg, ny latsaky ny 60kg ary ny latsaky ny 65kg.
Sokajin-danja 9 kosa izany ho an’ny lehilahy. Ahitana ny eo amin’ny latsaky ny 51kg, latsaky ny 54kg, latsaky ny 57kg, latsaky ny 60kg, latsaky ny 63,5kg, latsaky ny 67kg, latsaky ny 71kg, latsaky ny 75kg ary ny latsaky ny 81kg.
Toliary, Manakara, Antsirabe, Fianarantsoa, Farafangana, Toamasina ary Antananarivo no anisan’ny manana solotena amin’ity lalaon’ny nosy ity.
5 ireo Nosy mandray anjara raha ny taranja Kick Boxing manokana ahitana ny Nosy La Réunion, Maorisy, Mayotte, Seychelles ary Madagasikara.