Lalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany : 60% ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina, 30% ho an’ny faritra

- 16 mai 2023
Araka ny lalàna vaovao mikasika ny harena an-kibon’ny tany dia mitsinjara toy izao ny tahan’ny tamberim-bidy 5% izay voafaritra ho an’ny Malagasy : 3% ho an’ny fanjakana foibe, 2% ho an’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana. Ho an’ity farany dia mitsinjara toy izao izany araka ny fanazavana nentin »ny minisitry ny Harena ankibon’ny tany, Rakotomalala Olivier : 60% ho an’ny kaominina, 30% ho an’ny faritra ary 10% ho an’ny faritany.
Ny kaominina araka izany no hahazo tombony lehibe amin’izao lalàna vaovao izao. Mety hampigadra anefa ny tsy fanarahana izany, na ny tsy fahaizana mitantana. Araka izany, » ilaina hatsaraina haingana » ny fahaiza-mitantana mba hialana amin’ny fahaverezam-bola tsy mandeha araka ny tokony ho izy hoy ny minisitra Rakotomalala Olivier.
Njaka Randria