Lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany : Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena.

  • 13 mai 2023
Nolanian’ny depiote miisa 40 teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna laharana 003/2023, tamin’ny 12 aprily 2023 ; mikasika ny fanavaozana ny fehezan-dalàna momba ny harena an-kibon’ny tany na ny « code minier ».
Ahitana andinin-dalàna miisa 434 ity fehezan-dalàna vaovao ity izay mitsinjara amin’ny lohateny miisa 7. Nasiam-panovana sy fanitsiana ny teo anivon’ny solombavambahoaka, ny andininy miisa 41 amin’ireo, nandritra ny fivoriana azon’ny be sy ny maro natrehana (séance plénière) ny 12 mey 2023.
Isan’ny naha be resaka sy adihevitra tao anatin’ny fivoriana ny mikasika ny andininy faha-283 , momba ny saram-panjakana sy ny tamberina amin’ny fanondranana harena an-kibon’ny tany( produits des valeurs des mines à exportation).Raha toa ka 2% izany tamin’ny fehezan-dalàna teo aloha , nampiakaraina ho 5% izany tao anatin’ity fehezan-dalàna vaovao ity.
Niadin-kevitra tao anatin’izany ny fitsinjarana ireo tamberina ireo , izay napetraka ho 1,5% ho an’ireo vondrom-bahoakam-paritra (CTD) raha toa ka mirotsaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana kosa ny 3,5% .
Lany nasiam-panovana teo anivon’ireo solombavambahoaka io andininy faha-283 io ka nakarina ho 2% ny anjaran’ny vondrom-bahoakam-paritra ary ny 3% no hirotsaka ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
Nohamafisin’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena stratejika , Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny hijerena ifotony ny mikasika ireo olana notaterin’ny solombavambahoaka izay sedrain’ny kaominina sasantsasany manoloana ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany.
Partagez :
mialy