Naiditra am-ponja vonjimaika ilay ramatoa 43 taona tomponantoka tamin’ny lozam-piarakodia nahafatesan’i Kevin Yang . Anisany niampangana azy koa ny fandaingana nandritra ny fanadihadiana natao. Amin’ny 29 oktobra ho avy izao no hiakatra fitsarana ny raharaha.
Marihina fa nanatrika ny fampanohavana androany ilay tompon’ny Starex izay voalaza fa tomponantoka teo aloha. Afaka madiodio ity farany noho ny porofo tamin’ny horonantsary fa tsy nisy fahadisoany.