KALO Comptines: Tonga eto Madagasikara ny « Boky mirakitra hira » ho an’ny tontolon’ny ankizy.

- 25 octobre 2023
Nampahafantarina androany tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ny « Boky KALO Comptines » vokatra voalohany sy faharoa. Boky mirakitra ny mozika netim-paharazana malagasy sy ireo hira nandrotsirotsy fahiny toy ny: mandihiza rahitsikitsika, ndeha hianatra izahay, iny hono izy ravorom-bazaha sy ny sisa, novokarin’i Jimmy Rajaonarivo Ratsimandresy mpitantana ny KALO edition. Natao ho an’ny tontolon’ny ankizy ary hoentina hitaizana ny ankizy ahafantatra kokoa ny teny malagasy.
Na dia ho an’ny ankizy aza ity boky ity dia azo lazaina fa matianina tanteraka ny vokatra satria noravahan’ireo mpanakanto mpihira sy mpitendry zava-maneno manana ny maha izy azy eo amin’ny lafiny kanto dia i « Samy Andriamanoro » izay fanta-daza eo amin’ny fitendrena zava-maneno no anisan’ny nandrindra sy namolavola ity Boky ity.
Mozika mora azon’ny sofin’ny ankizy ary tsy mankaleo ny hira ao anatiny hoy hatrany i Samy Andriamanoro nandritra ny fampahafantarana ity boky ity ary ny fisian’ilay feo ao anatiny no mahasarika ny ankizy hamaky boky. Ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hanaparitaka ity vokatra ity ho maimaimpoana indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ho fanampiana ny ankizy Malagasy hoy ny mpanakanto Liantsoa Miora EMADISSON sady tomponandraikitra ny Eveil musical by Tatie Li .
Marihina fa efa eo am-pamoahana ny vokatra fahatelo izy ireo izay hivoaka tsy hoela ary azo jifaina ao amin’ny tambazotran-tserasera KALO Comptines sy eny amin’ny Leader Price Ankorondrano ireo boky ireo.