Jirama : nahazo fanampiana solika 2000 m3 isam-bolana.

- 26 octobre 2023
Ny talata 24 oktobra2023 lasa teo, nankatoavin’ny Filan-kevitry ny minisitra teny amin’ny lapam-panjakana eny Mahazoarivo tamin’ny alalan’ny fanaovan-tsonia ny taratasy ny fanampiana solika mavesatra na ny HFO 2000 m3 isam-bolana ny orinasa JIRAMA.
Mba hafafahana mamatsy solika 17000 m3 isam-bolana hampiodina ireo milina dia ny fanjakana Malagasy no hiantoka ny fividianana azy.
Anton’ny fanaovana tovana ny fifanarahana vita sonia ny fiakaran’ny vidin’ny famatsiana solika antsoina hoe HFO avy amin’ny fitombon’ny “platts “ ary ny fitombon’ny filana HFO eny anivon’ny orinasa JIRAMA indrindra amin’izao maintany (oktobra ka hatramin’ny desambra) izao, raha toa ka 15000 m3 izany dia hiakatra 17000 m3 .
Fifanarahana nifanaovan’ny Fanjakana Malagasy (Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola) sy ny orinasa JIRAMA ary ny orinasa JOVENA sonia.