Jirama: 100 miliara isan-taona ny vola very noho ny halatra jiro sy rano

  • 17 mai 2023

Tafakatra hatramin’ny 100 miliara ariary isan-taona ny halatra jiro sy rano mihatra amin’ny orinasa Jirama. Anisan’ny fototra mahatonga ny mety faharatsian’ny kalitaon’ny tolotra famatsiana herinatra sy rano izany.

Mitohy ny fitsirihina ny halatra jiro sy rano ataon’ny orinasa. Mahazo sazy izay tratra. Tafiditra amin’izany ny tsy maintsy hanefan’ny voamarina nangalatra ny fandaniana nataony nandritra ny fotoana nangalarany. Eo koa ny sazy avy amin’ny fitsarana.

Nahatratrarana alatra ny tokantrano Iray teny Andraisoro. Namidiny tamina  tokantrano 30 hafa izany, toy izany koa teny Anjomakely. Nampiditra jiro tsy ara-dalàna miaraka amin’ny andrin-jiro 4 ilay tratra. Hotely sy mpivarotra hanimasaka  maromaro koa no sarona nampiasa jiro tsy ara-dalàna teny amin’ny 67ha, ny Alatsinainy teo.

Avy amin’ny alalan’ny toroka hataon’ny avy eny anivon’ny fiarahamonina avokoa ny nahatratrarana ireo halatra ireo. Izany indrindra no mbola hanaovan’ny orinasa fangatahana fiarahamiasa amin’ny rehetra.

Partagez :
Sissie Raveloson