JIOI 2023 – Baolina kitra : lasan’ny Barea ny medaly volamena, 30 taona aty aoriana

- 2 septembre 2023
Lasan’ny Barea an’i Madagasikara ny medaly volamena ho an’ ny taranja baolina kitra amin’ny Lalaon’ny Nosy. Resy 1 noho 0 i La Réunion teto Mahamasina. Penalty nodakan’i Tendry teo amin’ny faramparan’ny fanalavam-potoana no nahazoana ny fandresena. Niady ny lalao. Niezaka nifehy ny lalao sy nikatsaka fandresena hatramin’ny farany ny Barea. Teo amin’ny fampidiram-baolina no nisy lesoka.
Ny taona 1993 i Madagasikara no nahazo medaly volamena farany teo amin’ny tantaran’ny Lalaon’ny Nosy, rehefa nandresy an’i La Reunion tamin’ny isa 1 noho 0. 30 taona aty aoriana, niverina ny sary. Isa 1 noho 0 koa no nandavoan’i Madagasikara an’i La Réunion.
Tsiahivina fa efa nifandona tamin’i La Réunion koa ny malagasy tamin’ny famaranana ny lalaon’ny Nosy ny taona 2007 teto Madagasikara. Votsotra teo am-pelatanantsika ny medaly tamin’izany, rehefa resin’i La Réunion tamin’ny daka « tirs au but ». Nikasa hamerina izany sary izany i La Réunion androany. Niezaka nitazona ny isa 0 sy 0 hatramin’ny farany izy ireo, saingy nanao hadisoana tao amin’ny faritra mena rehefa nanao fanafihana totoafo ny mpilalao tompon-tanàna.
Hasina Rakotoarilina