Ivontoeram-pikotrehana tetikasa ara-kolontsaina : nahazo ny anjarany ny faritra SAVA.

  • 5 octobre 2023
Notokananan’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fomba ofisialy androany alakamisy faha 5 oktobra 2023 tao Sambava ny Ivontoeram-pikotrehana tetikasa ara-kolontsaina na  » Centre d’incubation en entreprenariat culturel et industrie créative » ho fampivoarana ny fandraharahana ny zava-kanto ho an’ny faritra Sava.
Toerana hanomezana fiofanana ho an’ny tanora ity ivontoerana ity , mba ho matihanina eo amin’ny fandraharahana ny fampivoarana ny zava-kanto . Tokony hivadika ho fandraharahana sy tsena ahazoam-bola mahavelona ny sehatry ny zava-kanto .
Nandritra ny fitokanana ity fotodrafitrasa ity no nanoloran’ny Minisitra ny mari-boninahitra ho an’ireo Mpanakanto 9 mianadahy nanana ny maha izy azy tao amin’ny faritra. 4 no nahazo  » Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture  » 3 no nahazo  » Officier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture  » ary 2 kosa no nahazo  » Chevalier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture « .
Ankoatra izay, nanolotra fitaovana maromaro entina hanatsarana ny lentan’ny haino aman-jerim-panjakana tao Sambava renivohitry ny faritra SAVA koa ny Minisitra. Fitaovana nahitana caméra, ordinateur, mixeur miaraka amina kojakoja maro samihafa no natolotra.
Partagez :
Romuald